DIDY VAOVAO

Antoko Mpihira Taratry ny mazava

DIDY VAOVAO


1-Jehovah Andriamanitra Mpahary
Andriamanitra Ray be fitia

Momba sy mitahy tsy mba manary
Ireo olona izay mpanara-dia


‘Lay Fanahy izay nomen’ny Tompo
Mampianatra antsika mba hifanompo
Mampihavana, mampifandray
Mba ho tena zanaky ny Ray


Didy vaovao ho anareo
Mba hifankatiavanareo toy ny Ahy Kristy
Mifankatiava ianareo
‘Zany no ahalalana fa mpianatro raha mifankatia


2-Raha toa mpanompo mahatoky
Manana ny fo, saina, toetra
Ka mitia toy ny an’i Jesoa zoky
Dia mihavàna amin’ny rehetra


‘Lay Fanahy izay nomen’ny Tompo
Mampianatra antsika mba hifanompo
Mampihavana, mampifandray
Mba ho tena zanaky ny Ray


Didy vaovao ho anareo
Mba hifankatiavanareo toy ny Ahy Kristy
Mifankatiava ianareo
‘Zany no ahalalana fa mpianatro raha mifankatia


·