DIDY MASINA

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

DIDY MASINA


( hira fanevan’ ny ANTSAN’ NY FAMONJENA )


Misy didy masina
Baiko tamin’ i Jeso
Dia ny hitondra famonjena, ho an’ny olona
Toriteny marina
Sy ny hira mahasoa
No venteso hanakoako, Haleloia


Ka hira no entinay hitaomana
Hitory ny fitiavan’ny Tsitoha
Koa ventesinao izao
Ny faneva vaovao
Dia ny ANTSAN’NY FAMONJENA
No miantso anao


Mbola misy marobe,
Ny vahoaka tsy nandre,
Ilay antson’ny Mpamonjy, antsom-pitiavana
Izay nitaona olona,
Sy tanora vonona,
Mba hitory famonjena, Haleloia


·