Diboka hafaliana

Antoko Mpihira MORIA

Diboka hafaliana


1- Fa izao tontolo izao dia voaozona
Fa ny ota no manjary mpanapaka
Kanjo famonjena tsara tsy nampoizina
No natolotr’i Jeso mpanafaka


Ref: Diboka_hafaliana izany fo
Miramirana, tretrika tokoa
Fa fitia tsy manam-paharoa
No nomen’ny Tompo ho antsika izao
Sambatra izay manompo an’i Jesoa


2- Lalana malalaka manodoka fo
Nefa fandrika natao ho an’ny olona
Ka Jeso nisakana sy niangavy koa
Miverena ianareo amin’ny Tsitoha


3- Tsy mba miova hatramin’izao ny fitiavany
N’iza n’iza olona tsy mba halany
Fa nomeny ny fanahy izay ranovelona
Izay mibebaka tokoa dia avelany


·