Diary

Ayam

Diary


Tsy moramora ny niainako
Nahatonga ahy mbola eto
Efa hainao fa…
Miady isan’andro anie ny saiko sy ny foko satria…
Izaho mbola tia anao , nefa…
Toa reraka ihany aho isan’andro lava izao ve
mila miatrika sedra be dia be,
toa tady hilavo lefona aho izany fa…
Soa ihany fa teo


Ilay diary iray nataoko nandrakitra
Ireo antony mahatonga ahy mbola eto
Ilay diary iray mahafantatra ny marina
Hoe izaho efa anao, ianao efa ahy


Teo…
Ilay diary iray nataoko nandrakitra
Ireo antony mahatonga ahy mbola eto
Ilay diary iray mahafantatra ny marina
Hoe izaho efa anao, ianao efa ahy


Toa toy ny horonan-tsary tsy mety tapitra
ny tantarantsika roa
Satria…
Toa mbola samy eto ihany, androany aho manaiky dia
rahampitso aho mitaraina hoe
‘‘Avelao any’’ satria….
Toa reraka ihany aho isan’andro lava izao ve
mila miatrika sedra be dia be,
toa tady hilavo lefona aho izany fa…
Soa ihany fa teo


Ilay diary iray nataoko nandrakitra
Ireo antony mahatonga ahy mbola eto
Ilay diary iray mahafantatra ny marina
Hoe izaho efa anao, ianao efa ahy


Teo…
Ilay diary iray nataoko nandrakitra
Ireo antony mahatonga ahy mbola eto
Ilay diary iray mahafantatra ny marina
Hoe izaho efa anao, ianao efa ahy


·