Diankapoka
KT AMBATOVINAKY
Diankapoka
Raha nandinika ny lasako aho
Difotry ny ota re
Toa nivezivezy hatraiza hatraiza
Tsy nahita izay naleha.
Ilay hazofijalianao
toa nodiako tsy hita re
Rehefa lavo aho ankehitriny
Izay vao niantsoantso hoe vonjeo.
Hitako ny olatrao
Izay vao tsapako hatrizao
Diankapoka teo aminao ry Tompo
No nanafaka anay
Ilay ranao soa izay nitete ry Jesoa
Nanadio ny otanay
Ry Jesosy Tompo tsara รด,
Menatra anao aho.
Noho ilay fitia tsy misy fetra
Izay natolotrao ho ahy.
He nafoinao ny ainao
Mba hisolo voina ahy
Olo-meloka aho ka mamela
Raiso re ny foko ho anao
Hitako ny olatrao
Izay vao tsapako hatrizao
Diankapoka teo aminao ry Tompo
No nanafaka anay
Ilay ranao soa izay nitete ry Jesoa
Nanadio ny otanay