Diam-peniko

Fara Gloum

Diam-peniko


Tsy tanako, voalazako ny ao anaty fanahy
Tsy an-kiera, tsisy tavela, voarangotra avokoa.
Voatanisa ny niafina, voasoratra daholo
Indrindra fa izay milaza ny fitia avy ao am-po.


Refrain:
Tsy hay afenina, tsy hay alevina
Fa tena tia anao tokoa
Izay no teny tiako homena
Mihidy ato anatiko
Tsy afeniko ny diam-peniko
Fa ambarako ny fitiavako


Tsy heno intsony ireo hirifiry izay nandratra ahy taloha oouuh
Fa ny hoavy mamiratra no efa nataonao sary
Dia nohadinoina, tsy hotsaroana
Ny holatr’iny lasako
Tsy mitanila ilay masoandro
Manome hafanana


Refrain: ….


Ny lalantsika roa
Voasoratra mandra-maty
Ho doria


Refrain: ….


Tsy afeniko ny diam-peniko.
Fa ambarako ny fitiavako!!!


·