Derao Jeso

Les Adeline

Derao Jeso


Anio raha tonga eto hanatrika izao fiderana sy asa fitoriana izao hoy aho aminao
Ka olana maro mifamahofaho sy saro-bahana no entinao eto anio
Sosokevitra tsara no atolotro anao ary tena azo antoka fa hamahany olanao


Derao, Derao Jeso


Andinoy ny alahelo sy ireo fahoriana sy izay mikiky ao am-ponao mangina ao eh !
Asandrato ny Tompo dia ho tsapanao ny heriny miasa hanafana anao anio
Hadinoy izay rehetra mety hanavesatra sy hampisavorovoro ny sainao


Derao, Derao Jeso


Fa raha toa ka tsaroanao fa mbola ao foana mamatotra anao ny alahelo sy ny jaly
Ka ny fo sy ny saina dia tsy tafatombona mitaintaina sy marary

Asehoy ny finoana ombam-piderana asandrato ny Tompo Jesosy fa mahery


·