Derao, Ankalazao

GAFLI

Derao, Ankalazao


1-
Ho voninahitrao ry Jesoa
No mampijoro anay izao
Fa mbola nomenao indrafo
Zay isan’andro mihavao
x2


Ref:


Derao, Ankalazao (Derao Ankalazao)
Fa tsara ny Andriamanitsika
Nanome hery
Sy nampitraka hatrany hatrany
Ny fitahiany anie
No mbola tsy nahalany ritra
Fa lehibe ny fahefany


Ny Fanahy Masinao tsy osa
No indro efa mialoha
Manampy anay hanatontosa
Reo nanirahan’ i Jesoa
x2


Ny asa maro mbola miandry
Apetraka eo an-tananao
Satria izany no fanamby
Hitory ny anaranao
x2


·