DERAINAY MANDRAKIZAY

Anjomaran'ny Fitiavana

DERAINAY MANDRAKIZAY


Ny Fitiavanao r’Ilay Tsitoha, no toky ho anay
Ny fanahy masinao Jeso, nikolo hatrizay
Maro ny sedra sy ny fitsapana
Fa teo foana Ianao nitantana anay


Na dia teo ’lay fahoriana toa vao nanefy anay
Nampitraka Ianao Jeso nanasitrana
Fanoitra mampijoro finoana
He! Navotanao, inty aho iraho


Fiv:
Ny Anaranao no ho derainay mandrakizay
Havaozinay ny fanolorantenanay ho Anao ry Ray
Midera Anao ‘zahay, ary mankalaza
Voninahitra ho Anao Tomponay


Trio lehilahy :
Fa saiky rendrik’izahay no navotanao
Ny tànanao natsotranao mba ho avotray
Vimbino izahay tsy ho lavo koa
Hahery ao Aminao inty aho Jeso


Fiv…


Trio lehilahy (famaranana)
Fihino izahay ho Anao ry Ray


Hira faneva faha-31 taona namoronana hira
Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Miora Hajavolamena


·