Derainay

GAFLI

Derainay


Ref: Ny antom-pisiako hanompo Anao
Jesosy รด, avo indrindra Ianao
Fa mendrika sy tsara Ianao
DERAINAY
Mpamela heloka tokoa
Ray be fitia, mpamindra fo
Tompon’izao rehetra izao
DERAINAY


Faly izahay Jesoa, miaraka Aminao e!
Mahatsiaro sambatra mitoetra ambany fahasoavanao


Na sarotra ny dia, tsy hihemotra fa manana Anao
Handresy ny aizina eto an-tany sy ‘zao tontolo izao


Misaotra Anao ry Ray, niaro ary koa tsy nandao
Na maro be aza ‘reo ota izay efa natao


Tsy narianao ‘zahay mpanota fa novonjenao
Ka asandratray Ianao Jesoa, HALELOIA!


·