DERA SY LAZA ARY VONINAHITRA
Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
DERA SY LAZA ARY VONINAHITRA
Hidera anao zahay ry Tompo Andriamanitra
Hihira ho anao zahay raha mbola velon’aina koa
fa lehibe tokoa ny fitiavanao anay
fitiavana maharitra mandrakizay
REF
Ny dera sy ny laza ary Voninahitra
Ho anao ry Tompo Andriamanitra
Hihira ho anao zahay hidera anao ry Ray
Hatramin’izao ka ho mandrakizay
Ny tany sy ny lanitra dia mankalaza anao
Miondra eo anatrehanao izao tontolo izao
Mahery Ianao ry Andriamanitra tsitoa
Ianao tokoa ilay Tompo be famindram-po