Dada sy Neny
Badi Jaona
Dada sy Neny
Moa tadidinao ve irony fahiny ?
Tsy nandeha irery fa nisy olona teny
Nitaiza anao, nitaiza fony kely
Tsy iza izany fa i Dada sy neny
×2
Raha miteny izy ireny
Tsy hoe tsy fitia
Fa ny hazo no vanon-ko lakana
Izay naniriany no tsara
Raha sendra tafita any aoriana
Mahaiza misaotra rankizy o
F’izy ireny tsy nanoro vohana
Moa tadidinao ve irony fahiny ?
Tsy nandeha irery fa nisy olona teny
Nitaiza anao, nitaiza fony kely
Tsy iza izany fa i Dada sy neny
Tsarovy hatrany ireo anatra omeny
Tsy azo ariana velively
I Dada sy neny ’lay solon’Andriamanitra ety an-tany
×2