Dada
Liva Andrianavalona
Dada
Ilay ray natao ho andry
No efa lasa nodimandry
Tsy azo andrasana
Fa remby voatelin’ ny fasana
Tsy mba afa-nisafidy
Avy hatrany dia voadidy
Ka nanjahatra
Kamboty voatendrin’ ny lahatra
Dada รด ! toa inona re ny korana
Raha teto ianao
Nitaiza sy mba nihantana?
Iza anefa no hotsiniana
Fa mipetraka mangina
Ka mitonantonana
Ny hoe tsy handray fiononana?
N’aiza n’aiza misy anao
Ny mba hany azo atao
Dia manondrotra
Ny anara-nomenao voatolotra
Horaiketiko ato anaty
Ho lalaiko mandra-maty ny fitiavana
Ka mandria am-piadanana !