Boba ra

Jiro Be

Boba ra


Lohanao tananao tongotrao Boba rà
Jesosy ô, namonjena anay
Karavasy, maranitra, nitsatotsatoka ny fantsika
Taminao Jesosy ô, namonjena anay


Ny marary mahita anao, velona sitrana e
NY MADITRA ZAO LATSADRANOMASO
Lay rahavavy mpivarotena, nahita anao, lavo nianjera e
REO MPANGALATRA E, LASA MPANOME


Mpisotro toaka, mamo lava, nahita anao dia nisava
MPITENY RATSY ZAO, LASA MITORITENY
Ministra Directera, nahaita anao , lasa tia nanetry tena e
MPIAVONAVONA E, LASA BE FITIAVANA


Mpanompo sampy, sy ody gasy, nahita anao, tsy tia na dia paraky e
MPAMONY DOANY ZAO, LASA FIFOHAZANA
Ny fanadinan’ny mpianatra e, Izay mandohalika aminao
MANANTENA FA HO AFAKA E,
REO TSY MANANA ASA LASA PATRON


Izy mivady saika isaraka, nahita anao,
DIA NIFANARAKA E
NY ANKIZY SAIKA KAMBOTY, NISY NITROTRO
Lay rahavavy saika tsy niteraka e, dia notahianao dia niteraka e
RAMOSE EFA KIVY, HO AVY NY ANKIZY


·