BLUES-NDRAFOTSY

Mamy Robinson

BLUES-NDRAFOTSY


BLUES-NDRAFOTSY


Rafotsiko zay letsy masikasika !
Raha mbola vava ananany koa !
Tadidin’ialahy ve lay niaraka isika !
Voabedibedy aho vo tsy nody aloha


   (*)      Ny tena tantara raha mba mamomamo

Andrasany tsara ialahy eo ala-trano
Raha miseho sahisahy sy be famaliana :
VOAVELY KANOTA TSY MAHAZO FANDRIANA
Oay Neny a ! Aza atao an’io !
Kay ! Neny ah ! Maharary anie zany e !
Zah nge tsy naditra e ! zah koa ange tsy mamo e !
Vao mba miaraka @ akama ve zah : de mahita angano

Fa na dia masiaka aza letsy izy izay !
Fa na dia be vava aza Rafotsiko izay !
Izy letsy be fitserana izy letsy be fitiavana
Bedy elah androany afaka 3 andro de miravina


                 (*)       Fa ny tena tsy tiany : ialahy mamomamo

… … … …

Zah aloha letsy tsy hivoady f’izao no tadidio
Raha mbola vehivavy letsy tsy misy ohatra an’io
Izy letsy be vava f’izy letsy mahazaka
Tsy hahaita ohatran’io tsony zah na d’efa maro aza no zaka !


                   Indraindray mampi-te hivoady sy hanao velirano

Tsy hivôbôka intsony na hanao mamomamo
Sao andrasan-drafotsy ao ala-trano :
TSY MAHAZO FANDRIANA SY VOAHIDY TRANO
Oay ! Neny a ! … … …

Rafotsiko zay letsy tena tiako !
Rafotsiko zay letsy mahatara ahy !
Rafotsiko zay letsy tsy mba hariako !
Rafotsiko zay letsy tena ampy ahy !


_ Mamy ROBINSON _ (08/02/2019)


·