Bitsika

BITSIKA Mandroseza

Bitsika


Bitsika mangina feno anatra
Natolotrao ho ahy ho filamatra
Hanitsiako ny làlako feno fandrika
Miankina aminao tsy mba miangatra


Fisaorana no indro hasandratro
Ho fiderana ny anaranao ry Avo
Hanoro sy hanome ahy koa
Ny hery tsy hay tovozina avy aminao Jesoa


Tompo ô! Ianao mpizara hazavana
Tompo ô! Resiko ny herim-pahotana
Tompo ô! Noho Ianao dia velona aho
Tompo ô! Mamiko ny anatrao


Bitsika mangina nandresy tahotra
Hiderako koa ny zava-boahary
Bitsika mandrendrika ny sarotra
Mitarika ahy hitia Anao hatrany


Fisaorana no indro hasandratro
Ho fiderana ny anaranao ry Avo
Hanoro sy hanome ahy koa
Ny hery tsy hay tovozina avy aminao Jesoa


·