Bitsika
Tselonina
Bitsika
Ny ranomasina iny aza, ilalaovan’ny sambo
Ny tananan-dRapeto mety hidiran’angano
Ny tany petsapetsa hitomany ny vano
Tanimbary rehetra handosiran’ny rano
Ref:
Na mangotraka aza ny ao am-ponao
Na mandrozatra aza ny tendanao
Mbola bitsika anaty orakoraka e!
Pirina etsy anivom-parihy oa
Ny rivotra, ala, afo sy orana no manosika anao hiankavia
Herika tra-pahavaratra oa
Zanak’akoho sy papango รด!
Ny mampijoro ny fandri-baratra no tsy ahalevona atoandro
Vato aman-kazo no tsy laitran’ny mambo
Tany karakaina tsy matahotra havandra
Vorona an’ala no tsy tapi-dalao
Loha sola ihany no tsy amikiran’ny hao