Bitsibitsihako anao

Tselonina

Bitsibitsihako anao


Bitsibitsihako anao
Irý misy tangozan-tserizy
Laingosy aman-taho o, Laingosy aman-taho
Volentsika harivariva


Ambarambarako anao
Fa tetsy an-tanin-dandihazo
Namoron-kira aho, namoron-kira
Hira manafatra anao


Ny akanjonao ry Tiako ampirimpirimo
Ndao re isika mba ho eny
Jerijereo re sao misy hadino
Ndao re isika mba ho eny


Ny akanjonao ry Tiako ampirimpirimo
Ndao ary isika mba ho eny
Jerijereo re sao misy hadino
Ndao re isika mba ho eny


Fa tao an’alan’Ikaky
Vahy mifamatotra mafy
Saringoringo o, Saringoringo
Randrana mahafatifaty


Ny akanjonao ry Tiako ampirimpirimo
Ndao ary isika mba ho eny
Jerijereo re sao misy hadino
Ndao re isika mba ho eny


Bitsibitsihako anao
Irý misy tangozan-tserizy
Laingosy aman-taho o, Laingosy aman-taho
Volentsika harivariva
……….


·