Betlehema

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

Betlehema


Aiza no teraka Ilay Kristy
Ambarao anay, Aiza ilay Mesia?
Izy no Mpanjaka sy Mpanapaka
Mitady Azy izahay hiankohoka


Ary ianao ry Betlehema tanin’i Jodia
Tsy dia kely indrindra ianao fa ao aminao
No hivoahan’ny anankiray ho Mpanapaka
Sy ho Mpiandry ny olon’Andriamanitra


Miantso Anao izahay, Ry Jesoa Kristy
Te-ho eo aminao, R’Ilay Mesia
Ianao hanjaka sy hanapaka
Mitady Anao izahay, hiankohoka


(Betlehema!) Lay tanàna soa
(Tao no teraka) Lay Mpamonjy soa
(Tsy ao ihany) Fa ao am-poko koa
(Betlehema) Lay tanàna soa
(Betlehema) Lay tanàna soa


CHORALE ANTSAN’NY FAMONJENA Betlehema Ankofafa 2018


·