BETLEHEMA
Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana
BETLEHEMA
Anio no andro mamy, sarobidy indrindra
Izay itsenana Anao indray ry ilay Mesia
Ny dianay voavonjy maro sesehena
Hamantana any Betlehema n’i Jodia
Asandratray ny fiderana sy ny saotra,
Atolotray Anao ny voninahitra
Ho mariky ny hafaliana izay miloatra
Avy ao am-po handray Anao mpanavotra
Betlehema (ao aminao)
Betlehema (no hiseho)
Ny fitiavan-dehibe
Betlehema (ho zahako)
Betlehema (hahitako)
Ilay ataoko rehareha
Ao aminao no isehoan’ny famonjena
Sy ny fitiavana izao tontolo izao
Amin’izay tokoa ireo fo izay mosarena
Hahatsiaro sambatra hitafy hery vao.
Ao aminao tokoa anio ry Betlehema
No iventsoana indray ny hiran-danitra
Hanako mafy ao ny hoby sy ny antema
Handraisanay ilay zanak’Andriamanitra
Betlehema (ao aminao)
Betlehema (no hiseho)
Ny fitiavan-dehibe
Betlehema (ho zahako)
Betlehema (hahitako)
Ilay ataoko rehareha