BETAFO Tanananay

Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely

BETAFO Tanananay


1- Tanana kely iray no Andeha holazaiko anao
Tanana Mahafinaritra amin’ny fomba mampanao
Betafo no anarany,ka voadidina hadivory.
Azonao ialana voly sy analana sorisory


Tanana Malagasy sady tena mahaliana 

Tsy lavitra ny ville rah toa ianao vahiny.
Ny rivotra madio, ny tontolo iainana milay,
Izay ilay hoe Betafo, izay ilay hoe Tanananay

Io ilay Betafo, Tanana sarotra adinoina..
Io ilay Betafo, Mila kolokoloina
Io ilay Betafo, Tanana tena mahasondriana
Io ilay Betafo, misy Tantara mahavariana a…


2- Avy aty andrenivohitra mba hiala voly kely
Ka mahazo By-pass atsinanan’Ambohimangakely
Raha mahatazana fiangonana avoavo anakiroa,
Dia io ilay Betafo, izay tsy manam-paharoa


Raha tafiakatra eny ianao, Dia mahita ilay sekoly. 

Sy manga avobe, tokontany ialana voly
Azo ny manontany, Olon-tsotra monina eny,

Dia ho fantatrao avy eo fa Malagasy izay avy eny.


·