Be vinany ( bande original )

Dzao Lahy

Be vinany ( bande original )


Malama ny tany e ,tsinjovy izay hiafarana
Soa lavo hahay hamindra raha ho any
Fahamarinana ihany e , tandremo be be vinany
Aleo miara-mamindra raha ho any



  1. Nanantena tsy ho tratry ny aloka Kay tratry ny alok’akoho
    Nitetika arivo kay Maty iray Alina , banky tany amin’ny adin’akoho
    Rapaoly tsy te hisahirana , tsy te hiasa Fa kamo be tenda
    Mbola ho tratry ny ankodimirana , patsa iray tsy omby vava mahakenda


Ref: aza bevinany a , aza mihanihany satria:
Malama ny tany e ,tsinjovy izay hiafarana
Soa lavo hahay hamindra raha ho any
Fahamarinana ihany e , tandremo be be vinany
Aleo miara-mamindra raha hoany




  1. Tsy mitondra mankaiza razoky raha resaka sy balarora
    Aza mba atao fanao hoa Rakoto le revin-dRapaoly fatsora
    Ka tandremo ny hafetsifetsena , Fa io anie tsy de mahasoa
    Ny fiainana tsy ifanerena rahalah la aza de be mokondoha
    Réf:(×2) aza bevinany a ,aza mihanihany satria:
    Malama ny tany e , tsinjovy izay hiafarana
    Soa lavo hahay hamindra raha ho any
    Fahamarinana ihany e , tandremo be be vinany
    Aleo miara-mamindra raha ho any


          Dzao Lahy Ofisialy



·