BANJINO
None
BANJINO
Manoloana ny fandrika ataon’ny satana aminao
Jesosy no banjino fa ho resy mora izany
Feno fahavalo sy ratsy fanahy manodidina anao
Hitsapan’ny Tompo ny finoana anatinao
Koa miantso ny olona na hijery Azy ny Tompo
Satria Izy no mitondra famonjena
Aza miherika intsony re ianao
Jereo ny fanavotana nataony anao
Nokapoina, nohomboina nefa dia tsy meloka
JESOSY IRERY no famonjena ho anao
ASAFA
Aprily 2017
A/C : Berova