Babon’ny Filazantsaranao

Riampeon' Ny Maritiora

Babon’ny Filazantsaranao


Reko ny hafatrao latsapaka ao am-po
Tena feno fanantenana
ity mpanompo be fahotana
Aina ho ahy ny Teninao
ary fahasalamana ho an’ny nofoko rehetra


Reko ny hafatrao latsapaka ao am-po
Tena feno fanantenana
ity mpanompo be fahotana
Aina ho ahy ny Teninao
ary fahasalamana ho an’ny nofoko rehetra


Mba faingana moa Jeso ô!
Hiasa aty anatiko Ianao
Fa efa babonao tokoa aho
Babon’ny filazantsaranao
Raha ny momba ny asanao
ataoko am-pifaliana Tompo ô!
Na dia mafy ny manjo,
ataoko raha izay no hahasoa.
Tsy mba rediredy izao,
izao tokim-panompoana izao,
Fa ny fiainako efa Anao
efa Anao re ka hanjakao


Ry Tomponay Tsitoha ô!
Henoy ny ao am-po
Fa mangetaheta Anao,
mangetaheta ny hitoeranao
Mila Anao ity mpanomponao
fa zava-poana ny amiko
raha tsy eo Ianao Jeso soa


Ry Tomponay Tsitoha ô!
Henoy ny ao am-po
Fa mangetaheta Anao,
mangetaheta ny hitoeranao
Mila Anao ity mpanomponao
fa zava-poana ny amiko
raha tsy eo Ianao Jeso soa


Mba faingana moa Jeso ô!
Hiasa aty anatiko Ianao
Fa efa babonao tokoa aho
Babon’ny filazantsaranao
Raha ny momba ny asanao
ataoko am-pifaliana Tompo ô!
Na dia mafy ny manjo,
ataoko raha izay no hahasoa.
Tsy mba rediredy izao,
izao tokim-panompoana izao,
Fa ny fiainako efa Anao
efa Anao re ka hanjakao


Mba faingana moa Jeso ô!
Hiasa aty anatiko Ianao
Fa efa babonao tokoa aho
Babon’ny filazantsaranao
Raha ny momba ny asanao
ataoko am-pifaliana Tompo ô!
Na dia mafy ny manjo,
ataoko raha izay no hahasoa.
Tsy mba rediredy izao,
izao tokim-panompoana izao,
Fa ny fiainako efa Anao
efa Anao re ka hanjakao


·