Babonao

Badi Jaona

Babonao


Raha vao maraina mifoha
Dia mahita anao eo anilako eo
Ianao ’lay fanilo manazava ny foko,
Mitondra hafaliana ho ahy
Lay fitsikinao mijery ahy
Mambabo avy hatrany ny fo sy fanahy
Mampiseho lay fitiavana efa latsa-paka
Anatintsika ao


 Efa nakambana ho iray izaho sy ianao

Tsy noterana fa an-tsitrapo
'Lay fitia mifandanja, tia tena tia
Vonona hiaraka ho Doria

Ref: Lavitra anao za mitomany
Anilanao za falifaly
Tsy fitia sangisangy, imolotra ihany
Zao lazaiko anao izao
Lavitra anao za mitomany
Anilanao za falifaly
Ianao ianao no anjarako eto an-tany
Tsy lainga fa marina izany


Raha mbola eto ambonin’ny tany
Ts’isy hasoloko ny fitiavako anao
Ianao mameno ny saina (ianao mameno ny saina)
N’aiza n’aiza misy ahy
Tsy afaka hitia olon-kafa intsony aho
F’efa Babonao, babonao.. ouh ouh ouh…


  Efa nakambana ho iray izaho sy ianao

Tsy noterana fa an-tsitrapo
'Lay fitia mifandanja, tia tena tia
Vonona hiaraka ho Doria

Ref: ….


·