Babo

Groupe Ny hiran'ny Fanantenana

Babo


Fa babo , babon’i Jesosy ny foko
Ka ny herin’ny fitiavany No manosika ahy izao
Ka andeha aho hiasa sy hanompo
Hanao izay sitraky ny Tompo Fa babony ny foko ,
Babon’ny Tompo izao re ny foko


Ka, ny andro sisa iainako ety Hanompoako Anao
Ny hatanorako ry Jeso tia Atolotro Anao
La la la la la la
Na mafy sy mideza ny dia , Hanaraka Anao
Ny voady ry Tompo : Izaho dia hanompo
Ouh ouh ouh ouh


Ny talenta ananako , hiderako Anao
N’inon’inon’izay manjo dia hisaorako Anao
Na faly na ho ory ny fo Tsy hiala Aminao
Ny voady ry Tompo : Izaho dia hanompo
Ouh ouh ouh ouh


·