AZO ANTOKA

ANTSON'NY FAMONJENA (F.K.P.M.V. MAKEDONIA FAMONJENA)

AZO ANTOKA


Tsy ny anaran’ny fiangonanao,
No hoentina hotsaraina
ka hahavonjy anao
Fa ilay Jesoa izay noraisinao eee
No hany tokana hanamarina anao


REFRAIN: …
Azo antoka (3)
ny hahazoanao lanitra
Raha ilay Jesoa
No raisinao ho Tompo sy
Mpamonjy eo amin’ny fiainanao


Tsy ny vola izay anananao
No hoentinao hidirana an-danitra ao
Fa ilay Jesoa izay noraisinao eee
No hany tokana lala-mankao
REFRAIN: …


Tsy ny anaran’ny Fiangonanao
Na ny vola izay anananao
Tsy ny anaran’ny Fiangonanao
Na ny vola izay anananao
REFRAIN: …


·