Aza variana

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Aza variana


Raha ny eto an-tany sento lava izao
Nefa any ho any tsy mba misy izany
Fa ny fihobiana hasambarana
No mameno azy fifaliana


Fa isika izao raha miala ety
Ho finaritra ery raha mino Ilay Mpamonjy
Sy Mpanjaka manan-kery
Dia Jesosy ilay Tsitoha sy Mpanavotra


Aza ketraka na ho kivy
Fa hatrakao ny loha
Hibanjina ny ho avy


Na ny rendrarendra hita eto an-tany
Dia mandalo ihany ary ho potika
Aza dia variana na sondriana
Fa ny ho avinao no banjino


·