AZA TSAROVANA

DAFAH

AZA TSAROVANA


Aza tsarovana
intsony aho
fa efa potraka
efa trotraka
ka tsy sahaza anao


raha sanatria ka
mahita anao aho
tsy ahafantatra ahy ianao
tsy halala
f’efa potraka anie aho


eny mety hahalala
ihany angamba ianao
mety halahelo aza
f’izaho no menatra
tsy te ahita anao
f’efa voro-kitsay anie aho


gaga sy talanjona
ireo tapaka sy namana
raha sanatria ka
mahita ahy
efa koka
sy taolana mitafy nofo
resin’ny fiainana aho
tsy afa manaotra


·