Aza Revon’ny Androany

Tvbroadcasting

Aza Revon’ny Androany

1.’Zaho tsy hanara-drenirano

Sahy miavaka amin’ny maro

F’izany aloha tsy mora ihany.

Raha ’zaho ’ndray tsy hanaiky hotefeny, toky fitaka anie ireny.

Ny fiainana mantsy tsy izao ihany!

(FIVERENANA)

Dieny izao ny fiainanao

Jehovah irery omena azy, dia tsy ho lavo ianao.

Fa any aoriana any

Ianao no hitsena an’ilay paradisa an-tany

K’aza revon’ny androany, io ’nie mandalo ihany!

2.Raha tambazany asa tsara,

Vola be na koa hoe fiara

Ary halaza sy ho tafita,

Dia ny herinao aza ariana any fa zava-poana mantsy izany

Ny fiainana anie tsy izao ihany!

(Aprily 2023)

·