AZA MIOVA

ISAAC DE PAUL

AZA MIOVA


Farany ry rahalahy , miorena tsara
Farany ry anabavy , miorena tsara
Aza miova, mahefaha be
Amin’ny asan’i Tompo


Satria fantatsika, fa tsy ho foana tsy akory
Ny fikelezanaina, ao amin’i Tompo
Na dia misy manenjika aza (tsy ho foana izany)
Na dia misy mandatsa aza (tsy ho foana izany)
Na dia misy maneso aza (tsy ho foana tsy akory izany)


Miandry antsika any an-danitra any
Ny satroboninahitra
Izay omen’i Tompo
Ho an’izay maharitra
Maharitra mandrakizay, amin’ny fanompoana
Maharitra sy mahatoky, amin’ny fanompoana
Maharitra mandrakizay, amin’ny fanompoana ny Tompo


Oooooooooooooooooooooo!!! Mahereza
Mahereza ao amin’i Tompo
Oooooooooooooooooooooo!!! Mifalia
Mifalia ao amin’i Tompo.


·