Aza mba manary toky

BEAUZAKA (Tarika Mala)

Aza mba manary toky


AZA MBA MANARY TOKY


Refrain
Aza mba manary toky
Fa any ambadika any ho any
Misy olo mahatsiaro
Mahatsiaro anao lalandava
Vonona hifanampy
Hifanohana aminao
Ny hitsoaka sanatria
Fa izy anie ka be fitia


Couplet 1
Raha sendra ka nanditsoka
Ilay rivotra nitsoka
Dia fafao ny Ranomaso
Hisava io fa Andraso
Raha toa ka nahakotsa
Ilay oram-pahavaratra
Dia tsarovy fa hoavy
Ny masoandro lohataona


Refrain


Couplet 2
Raha sendra ka nandao
Ilay olon-tianao
Aza mba manary toky
Fa any misy vaovao
Raha milentika any ho any
Ilay masoandro nantenaina
Dia alaviro ny tomany
Mbola hisy ny maraina


Refrain


·