Aza mangarika

Johasina

Aza mangarika


Mijery ireo ankizy eto an-drenivohitra eto e
Mirenireniny milalao fako tsy mba manan-trano
Ry ray aman-dreny fa nahoana no dia navelanao e
Ireo zazakely toa matory eny ambony tany e


Bodofotsy iray no irakofanay mangatsiaka ny andro o
Boritra kely no ialofanay rehefa manorana eto o
Tsy ho lasa mp angataka no fanirianay rehefa avy teraka e
F’izay no misy ka aza mangarika anay eny an-dàlana eny


Tsy hanondro olona zahay
Tsy hitsara an’iza n’iza
Sanatria mpifahavalo ee
Ny faniriana ny mba ho henoina e
Aza mangarika anay eny an-dàalana eny x2
Kopakopa-tànana dia faly izahay e
Tsikitsiky malefaka dia faly izahay e


Mitady asa mba sahazanay e
Mifoha maraina mijery izay mba azo atao e
Eny an-tsena, lazain’olona fa mpangari-posy e
N’aiza n’aiza atosik’olona fa banga ny posy e
Sitahan’olona fa marary sy ory e
tsy atokisan’olona fa maloto akanjo e


Tsy hanondro olona zahay e
Tsy hitsara an’iza n’iza e
Sanatria mpifahavalo ee
Fa faniriana ny mba ho henoina e
Aza mangarika anay eny an-dàalana eny x2
Kopakopa-tànana dia faly izahay e
Tsikitsiky malefaka dia faly izahay e


Fiv:


Aza mangarika anay eny an-dàlana eny
Aza ny alalin’ny fahantrana e
Raiso toy ny namanao de faly izahay
Toy ny olom-pantatrao de faly izahay


Aza mangarika anay eny an-dàalana eny x2
Kopakopa-tànana dia faly izahay e
Tsikitsiky malefaka dia faly izahay e


·