Aza manahy

Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)

Aza manahy


AZA MANAHY




  1. Mitambesatra ao anatinao ve ny ady sarotra
    Mampivenjivenjy anao mitady fitsaharana
    ‘Zay rehetra atoninao mandrindrim-baravarana
    Hatramin’ireo izay noheverina ho tena namana




  2. Moa adinonao fa ny Tompo anie nilaza hoe
    Hianareo izay miasa fatratra, mavesatr’entana
    Izaho no hanome ho anareo ‘lay fitsaharana
    Ny hany angatahin’izao meteza ho tantanany




  3. Aza dia variana loatra amin’ny fiainana ety
    Ka hanahy ny amin’ny izay hohanina sy hotafiana
    Ampy ho antsika anie ny fahasoavan’i Kristy
    K’andeha aloha katsaho ny fanjakany sy fahamarinany




Refrain:
Jesoa Kristy re no lalana
Izy no fahamarinana
Ary koa fiainana maharitra mandrakizay
Izy no Ilay tsy miova
Omaly anio mandrakizay
Aoreno mafy ao Aminy izao ny fiainanao


·