AZA MANAHY

Jon Mos

AZA MANAHY


Lasa ny sainao
Mahatsiaro ireo vita hatrizay
Tomany ianao eh ie ee
Toy ny resin’ny fiainana
Raha ny omalinao, adinoy izany
Ka esory ao an-doha
Mbola ho avy ny anjaranao
Ka manantenà ianao  


Refrain:
Ny ho avinao ihany andrandraina
Omano ny fonao hahay hanantena
N’aiza n’aiza alehanao
Efa miandry izay ho anjaranao


Eny ekeko aloha fa sarotra ho anao ny hoe
Hanadino tsotrizao
Ny hany azo atao eh ye ee
Ny manorina fiainam-baovao
Fa fitia anie hasambarana
Katsahina izao rehetra izao
Nefa ny anareo tsy ho lahatra
Ka adinoy hatreo


Ny ho avinao ihany andrandraina
Omano ny fonao hahay hanantena
N’aiza n’aiza alehanao
Efa miandry izay ho anjaranao


© 2019


·