Aza avelanao

Rija Ramanantoanina

Aza avelanao


Aza avelanao ho maina
Ireo felana nitsiry
Fa velomy, hanan’aina
Dieny mbola voatahiry
Ka fenoy, tsikitsiky
Hirahira sy mozika
Mba hamenoy, ny tsy feno
Tamin’izay niarahantsika.


·