Aza avela ho mandalo re ny Teny

FIFOHAZANA

Aza avela ho mandalo re ny Teny



  1. Aza avela ho mandalo re ny Teny
    Na hikimpiana koa ny hazavana
    Aza manamafy ny fonao fa aoka
    Hovonjena ‘zao anio izao


Fiv. Fa nahoana no tsy izao anio izao
Te-hovonjena va hianao
Ka tsy izao anio izao




  1. Mety tsy haraina intsony ny ampitso
    Ho voafitaka ny hevitrao
    ‘Zao no ora ankasitrahana ka aoka
    Ho vonjena ‘zao anio izao




  2. Tsy mandà na iza n’iza re ny Tompo
    ‘Zay te-hiray fanahy Aminy
    Maneke ny asa vitany ka aoka
    Ho vonjena ‘zao anio izao




·