Aza Adino

Jon Mos

Aza Adino


Gina tsy nahateny aho
Tomany fa nilaozanao
Lasa ianao nandao ka maizina avokoa
Izay jeren’ny masoko
Mitamberina ato an-tsaina
Ireo soa rehetra vitanao
Nataonao tamin’ny fo
Noraisiko avokoa
Ka zary sikotra ato am-poko


Ka aoka tsy ho adinoinao
Ireo izay nolazaiko
Ireo teny soa sy ireo anatro nambarako anao
Fa ho avy ny andro iray
Handaozako anao
Dia amin’izay fotoana izay dia tsarovy fa tiako ianao


Ny lasa tsy ho hay fafana
Fa raisiko hanitsiako ny lalako
Ireny tomany sy ireny alahelo
Noho ny hetraky ny adalako
Ka vonona aho ny hisedra izany
Na mbola holavitra aza ny hodiaviko
Raha ho avy ny andro iray
Mbola hihaona rahatrizay
Ho tody am-pahasambarana indray


Ka aoka tsy ho adinoinao
Ireo izay nolazaiko
Ireo teny soa sy ireo anatro nambarako anao
Fa ho avy ny andro iray
Handaozako anao
Dia amin’izay fotoana izay dia tsarovy fa tiako ianao


Hotsaroanay foana ianao
Tamin’ireo izay vitanao
Ka hodradraiko raha mandre ahy ianao
Fa tiako tena tiako ianao


Ka aoka tsy ho adinoinao
Ireo izay nolazaiko
Ireo teny soa sy ireo anatro nambarako anao
Fa ho avy ny andro iray
Handaozako anao
Dia amin’izay fotoana izay dia tsarovy fa tiako ianao


©2019


·