Avohay ny talentanao
SLK 'lay Mpiantsa Soa
Avohay ny talentanao
AVOHAY NY TALENTANAO
Aza afenina ary ny talentanao
Fa andrao esorina eo aminao
Fa ento anaovy ny asa masina
Ny talenta izay anananao
Dieny izao ary ampiasao ny talentanao
Ampiasao ho an’ny Jehovah fa tsy hanenenanao
Ianao ihany no tompon-tsafidy
Nefa tsarovy tsara ange,ny talenta tsy voafidy
Hiderao an’I Jehovah ny talentanao
Fa aza ampiasaina ho an’izao tontolo izao
Sao voahadina ianao rehefa any ambony ah!
Izay vao hanenina hoe tahaka izay ihany