Avo roa heny

Johan Panda

Avo roa heny


Mangatsiaka ve malala
Indro tamy hamihina anao aho
Homeko hasambaram-be mba ho lalina ao am-ponao
Fa manam-paniriana izaho malala
Dia ny mba hitantanana anao
Ka entiko handeha hitety hasambarana ianao


Avia hiaraka hipetrapetraka
Efa ela aho no te hiresaka
Fitia sy ny ho avintsika
Asiantsika resaka peratra
Sy hoe rahovina no hiteraka
Fa izaho hampiakatra andry


Ref:
Dia lazaiko, tantaraiko
Ireo faniriana mba hampifaliako anao
Eny ianao
Izaho mahasahy miteny
Fa omeko avo roa heny


Dia lazaiko, tantaraiko
Ireo faniriana mba hampifaliako anao
Eny ianao
Izaho mahasahy miteny
Fa omeko avo roa heny


Raha mila teny mamy amiko ianao
Hamoronako hira vaovao
Raha voninkazo dia zaridaina
No ataoko anao


Ny nofinao tiako ho tanteraka
Na rahovina izaho tsy ho reraka
Fa izay, izay ilay hoe tia
Asiantsika resaka peratra
Sy hoe rahovina no hiteraka
Fa izaho hampiakatra andry


Ref:
Dia lazaiko, tantaraiko
Ireo faniriana mba hampifaliako anao
Eny ianao
Izaho mahasahy miteny
Fa omeko avo roa heny


Dia lazaiko, tantaraiko
Ireo faniriana mba hampifaliako anao
Eny ianao
Izaho mahasahy miteny
Fa omeko avo roa heny


Avia hiaraka hipetrapetraka
Efa ela aho no te hiresaka
Fitia sy ny ho avintsika
Asiantsika resaka peratra
Sy hoe rahovina no hiteraka
Fa izaho hampiakatra andry


Ref:
Dia lazaiko, tantaraiko
Ireo faniriana mba hampifaliako anao
Eny ianao
Izaho mahasahy miteny
Fa omeko avo roa heny


Dia lazaiko, tantaraiko
Ireo faniriana mba hampifaliako anao
Eny ianao
Izaho mahasahy miteny
Fa omeko avo roa heny


·