AVO INDRINDRA
Groupe NAINA
AVO INDRINDRA
Fa lehibe ny famindram-ponao
Novonjenao ny fanahiko
Ampianaro ny lalanao aho
Dia handeha amin’ny fahamarinanao
Ka hidera Anao amin’ny foko aho
Hanome voninahitra
Ny anaranao mandrakizay Jehovah o
Tsy misy toa Anao ry Tompo sy Andriamanitro
Izaho rehetra izao dia hiankohoka Aminao
Hanome voninahitra Anao
Fa lehibe ny fitiavanao
Maneho fa avo indrindra Ianao
Hiantso Anao amin’ny androm-piainako aho
Hamaly ahy tokoa Ianao
Lehibe Ianao ka manao fahagagana
Ianao irery no Andriamanitra
Tsara Ianao