Avia zany zanako izany
Mbola Talenta
Avia zany zanako izany
Avia zany zanako izany
Etsy trotroiko fa aza tomany
Avia ho rotsirotsiako
Eto an-tratrako ampatoriako
Avia zany zanako izany
Aza manahy fa i dada eto ihany o!
Avia zany sombin’ny aiko
Ho safosafoko sy ho karakaraiko
Réf :
Iny hono izy ravorombazaha
Ento manaraka anao any an-tsaha
Iny hono izy ravorona irony
Ento misidina ambony dia ambony
Avia zany zanako izany
Omeko fitia sy oroka mamy o!
Avia zany menaky ny aiko
Ho tahiana ianao, izany no andrandraiko
Etsy babeko ny zanako tiako
Ny anilanao no mba fifaliako
Etsy babeko ny zanako izany
Dia matoria ka manofisa mamy