Avia Mandrosoa

Dama

Avia Mandrosoa


Ny ranomasina sy ny lanitra
Samy manga madio sy mahafinaritra
Manofahofa tànana
Ireo voanio maitso màvana
Ny rivotra madio
Mihira fa andro tsara anio


Avia mandrosoa
Ahirato ny masonao
Gasikara tany soa
Ry Malagasy
Mivonona ianao


Hiaraka hanangana
Trano be iombonana
Fahalalàna no hajoro
Fahendrena no vato fehizoro


Manofahofa tànana
Ny eto an-tànana
Faly sy ravoravo
Fa tafaray ny Malagasy maro


Avia mandrosoa
Miantso anao ny taninao
Ity Nosy lehibe tokoa
Ry Malagasy vohay ny fonao
Hifandray tànana
TIA TANINDRAZANA
Ny fitantànana madio
Io no dina ifanekena anio


(Mozika)


Avia mandrosoa
Miantso anao ny taninao
Ity Nosy lehibe tokoa
Ry Malagasy vohay ny fonao
Hifandray tànana
TIA TANINDRAZANA
Ny fitantànana madio
Io no dina ifanekena anio


·