Avia isika hifamela
Andrianary Ratianarivo
Avia isika hifamela
Avia isika hifamela;
ho hadinoina re ny ela
Fa fikasana arahin’asa
no hanonerana ny lasa
Ny zava-bita hodian-tsy hita;
tsy ho tsaroana ny hadisoana
Ny zava-bita hodian-tsy hita
Tsy ho tsaroana ny hadisoana
Ny efa lasa tsy hiverina
Totofy tsara mba tsy hiverina
Anatranaro sy atsaharo
Fa tsy fomba anie intsony
Ny fo kirina, be lonjony
Ka soloy fitia sesehena
Ny tsiny ‘zay saika homena.
Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo