Avia isika hiara-dia

Andrianary Ratianarivo

Avia isika hiara-dia


Avia isika hiara-dia
Hikalo(kalo) sy hiriaria
Venteso mafy ny hira hifamaly
(Fa) Tratry ny taona ka miara-paly


Ho lavitra anio ny sentosento
Tarehy sariaka izao no ento
Ka dia arahaba mifankahita
Tratry ny taona samy tafita


Raha misy alahelo mandalo
Reseo fa aza mimalo
Ny zavatra mampitomany
Fampieritreretana ihany


Ny anatra aposaka anio
Tsarovy sy mba tadidio
Ny fo te ho hendry no sokafy
F’ireny no voa izay afafy.


Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo


·