Avia, avia

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Avia, avia


Key A
1- Avia, avia,  avia ry ondry tena tsy foiko
Izaho no Mpiandry tsara
‘zay tonga hikarakara
’ndeha ho aiza sy hankaiza,
ho aiza no alehanao ry tiako?
Jesosy Mpiandry anao no miantso izao.


Refrain 1 :


Ry ondriko ô tsy foiko ianao
Ry ondriko ô lalaiko ianao
Avia miverena fa mampahonena
Ry ondriko mania avia malakia.


Miverina ny 1


2- Faly Aho,  ravo Aho, faly Aho,
fa tafaverin’indray
’lay ondry efa saiky ho very
niradana lasa niery
 trotroiko hampifoiko
ho averiko ho ao ambala indray
hiaraka amiko mandrakizay.
 
Refrain 2:


Ry ondriko ô tsy foiko ianao
Ry ondriko ô lalaiko ianao
hianao tokoa no namoizako
Ny Aiko rehetra tsy mba nasiako fetra.


Miverina ny 2


A/C Burman


·