Avelao
Billy Vahatra
Avelao
Avelao izy handeha
Avelao ka tsofy rano
Izy anie efa lehibe
Tsy atahorana ho azon’angano
Avelao izy handeha
Hianatra hitondra tena
Efa mato-tsaina izy anie
Tsy tsara ho azy ny hofefena
Sakanana tsy hilalao izy
Fa maro hono ireo fakam-panahy
Tantanana toa zaza vao izy
Tsy mba nananan-toky fa mampanahy.
Avelao izy haditra
Dia hahita ny ngidiny
Haniry, hitsiriritra
Hanao izay mba fidiny
Avelao izy handeha
Omeo fahalalahana
Fa ny ataony any anie
Falalahana izay ho arahana
Sakanana tsy hilalao izy
Fa maro hono ireo fakam-panahy
Tantanana toa zazavao izy
Tsy mba nananan-toky fa mampanahy.