Avelao

Vahatra

Avelao


Avelao izy handeha
Avelao, ka tsofy rano
Izy anie efa lehibe
Tsy atahorana ho azon’angano
Avelao izy handeha
Hianatra hitondra tena
Efa mato-tsaina izy anie
Tsy tsara ho azy no fefena


Sakanana tsy hilalao izy
Fa maro hono ireo fakam-panahy
Tananana toa zazavao izy
Tsy mba nananan-toky fa mampanahy


Avelao izy haditra
Dia hahita ny ngidiny
Haniry hitsiriritra
Hanao izay mba fidiny
Avelao izy handeha
Omeo fahalalahana,
Fa ny ataony ihany anie
No hahalalana izay hoharahina


Sakanana tsy hilalao izy
Fa maro hono ireo fakam-panahy
Tananana toa zazavao izy
Tsy mba nananan-toky fa mampanahy


·