Avelao
Chantal
Avelao
- Nahatsiaro marary ianao nilaozany
Nitondra ny mangidy ianao fa…
Tsy tsapany hoe ianao no tena Tia azy
Naleony nitady Vaovao…
Ny rehetra rehetra efa nafoinao ho azy;
Hatramin’izay sarobidy indrindra.
Hanenina ihany izy any aorina any
Hiverina eo hitady anao indray
REF : Avelao izy handeha
Hanalavitra anao any
Aza miaritra tomany
Fa tsofy rano izy
Ataovy an-tsaina hoe
Ny tia anao tsy izy irery ihany
Fa mbola betsaka any ho any
Afaka hitia anao mandrakizay
- Izy ihany no tompon-tsafidy
Ianao tsy afaka hanery azy handidy
Manorata tantara Vaovao
Eo anilan’ilay tena tia anao ho mandrakizay.
Dia tsy ho latsaka intsony ranomasonao
Fa fianam-baovao lavitry ny alahelo
Ka fafao ny ranomasonao
Izy iny anie tsy anjaranao!
REF : Avelao izy handeha
Hanalavitra anao any
Aza miaritra tomany
Fa tsofy rano izy
Ataovy an-tsaina hoe
Ny tia anao tsy izy irery ihany
Fa mbola betsaka any ho any
Afaka hitia anao mandrakizay
Avelao izy handeha (3)
Avelao
(Fa tsy tia anao intsony)
REF : Avelao izy handeha
Hanalavitra anao any
Aza miaritra tomany
Fa tsofy rano izy
Ataovy an-tsaina hoe
Ny tia anao tsy izy irery ihany
Fa mbola betsaka any ho any
Afaka hitia anao mandrakizay