Atsangano

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Atsangano


1- Voninahitra ho anao Jesoa, Haleloia Haleloia,
Hoby no asandratray ho anao, ho anao mandrakizay,
Feno fifaliana izahay nohon’ny fitantananao,
Ny fiainanay hatrizay hatrizay.


Refrain : Faneva no (faneva indro) atsanganay amin’ny anaranao Ray, ho entinay hanohy ny asanao hizara fiainam-baovao, tsy hitsahatra ny hanako hoe : fa tsara ianao Jesoa, ny lanitra no tanjonay, Fiainana Mandrakizay.


2- Mbola vonona izahay Jesoa, ny hihira ho anao,
Tsy hataho-datsa eso koa, fa hanaiky sy hanoa,
Satria ianao no mombanay, mahatoky ianao,
Vatolampy hery fiarovanay,


Refrain : Faneva no (faneva indro) atsanganay amin’ny anaranao Ray, ho entinay hanohy ny asanao hizara fiainam-baovao, tsy hitsahatra ny hanako hoe : fa tsara ianao Jesoa, ny lanitra no tanjonay, Fiainana Mandrakizay.


Bridge : Ha-a-a-a-le-e-e-e-lo­u-ou-ou-ou-iah-iah Amen !


Refrain : Faneva no (faneva indro) atsanganay amin’ny anaranao Ray, ho entinay hanohy ny asanao hizara fiainam-baovao, tsy hitsahatra ny hanako hoe : fa tsara ianao Jesoa, ny lanitra no tanjonay, Fiainana Mandrakizay,
Atsanganay ny Fanevanay, amin’ny anaranao ry Ray,
Atsanganay ny fanevanay.
Haleloia Haleloia, Amen !


A/C : NOMENA HASINA/MENDRIKA SAROBIDY
©ILAYNANTENAINY


·